airtel

Fandriampahalemana

05-août-2021

Fandriampahalemana

Moto very narahina fitakiana vola be Olona ambony roa natao famotorana

Sample post image

Olona roa ambony voalaza fa miasa amina andrim-panjakana iray eto amin'ny firenena no natao famotorana teny anivon’ny sampana ady heloka bevava eny Fiadanana

05-août-2021

. Raha tsiahivina kely dia tamin’ny Alatsinainy folakandro teo izy ireo no nalaina teny akaikin'ny Domaine Alasora.Ho an’ireo izay tsy naharaka dia vehivavy iray mipetraka eny Alasora no very moto teny Ankazomanga manoloana ny toeram-pivarotany, andro maromaro lasa izay. Folo andro taty aorian'izay dia nisy olona 3 niaraka tamina fiara tonga teo aminy ary nilaza fa kolonely sy kaomisera. «Nentin'olona handeha hamono olona ny moto-nao hoy izy ireo tamin’ilay vehivavy ka tokony handoa 10 tapitrisa Ar ianao raha tsy te-higadra». Raiki-tahotra noho izany ilay Ramatoa tompona moto ka nanome io vola io raha ny fantatra. Tsy nijanona teo anefa ireo mpitaky vola fa niverina fanindroany indray ny 29 Jolay lasa teo ka nitaky 40 tapitrisa Ar fanampiny. Rehefa nifampiresaka ny roa tonta dia raikitra fa haidina 30 tapitrisa Ari zany. Nametraka fitoriana teny amin'ny poste avancé Alasora anefa ilay Ramatoa .Natao ny vela-pandrika nandritra izany ka nomena fotoana teny By-pass, akaikin'ny Domaine ireo olona roa ireo mba haka ilay vola fanampiny indray. Noraisim-potsiny izy ireo nandritra izany ary fantatra tamin’izany fa mpiasa ambony ao amina andrim-panjakana iray tokoa izy roalahy ireto. Efa miroso tanteraka amin’ny fanadihadiana lalina moa ireo mpitandro ny filaminana amin’izao fotoana izao.
Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap