Mirongatra ny hala-botry eny Atsimondrano eny. Tato anatin’ny iray volana izao no tena nampahazo vahana izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Tonga hatreny an-davarangan’olona ny mpangalatra maka lamban’olona sy vilany. Ho an’ilay tranga iray vao niseho ny herinandro teo teny Anosizato dia vilany feno vary no nalain’ny mpangalatra tao an-dakozia. Nariany teo afovoan-trano ny vary masaka raha lasany kosa ny vilany. Variana nijery vata fahitalavitra tao amin’ny efitrano fatoriana ny fianakaviana. Voatery tsy maintsy nahandro vary fanindroany indray ireto farany noho izany. Ho an’ilay tranga vao niseho ny faran’ny herinandro teo indray dia lamba niahy tamin’ny fefy no nalain’ilay mpangalatra. Niakatra tao an-davarangàna ilay mpanao hala-botry no nisy nahita tampoka teny Andranonahoatra Itaosy teny. Nitsoaka nirifatra ity farany noho izany ka ny lamba niahy teny amin’ny fefy no nentiny nanaraka azy. Niezaka nanenjika azy ny teo an-tanana saingy tsy tratra ilay mpanao ratsy. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana araka izany ny mponina mba hijery ity trangana tsy fandriampahalemana eny Atsimondrano ity. Mirongatra rahateo ireo mpifoka zava-mahadomelina isan-tanana eny amin’iny faritra iny ka tokony handraisana fepetra hentitra.
Pati
Legende : Any anaty katsaka tahaka izao no mifoka rongony ny sasany mialohan’ny hangalarany fananan’olona !
Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro