airtel

Fandriampahalemana

16-août-2024

MPANAO MASOBE TSY MAHITA

Kitay menaka no nataony solona finday lafovidy

Sample post image

Rolahay mpanao ireny « jeux de mains » na hakingan-tànana sy masobe tsy mahita ireny indray

16-août-2024

no saron’ny mpitandro ny filaminana ny faran’ny herinandro teo. Te-hanana finday raitra hiaka farany manara-penitra ireo olona sendra azy ka roboka nahafoy ny finday fampiasany sy volabe mba hahazoana izany. Sendra ny mpisera finday nanome taolana anefa izy ireo ka tafajoboka. Nandeha ny sera, natao ny andrana sy ny fijerena akaiky ilay finday izay tena izy tokoa. Nampidirina tao anaty fonosana misy azy izany rehefa vita ny fifanarahana dia nisaraka teo ny roa tonta. Nony tafiditra tao anaty taksibe anefa ireo olona voasera dia nosokafana ilay poketra kely namonosana ilay finday. Akory ny hagagany fa kitay menaka niendrika hazo fisaka namboarina hitovy amin'ny finday no hita tao. Teny Anosizato Andrefana moa no tratra izy roalahy ireo rehefa nokarohina ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy !

 

Dans la même rubrique

20-juin-2025

Jiolahy iray voalaza fa badin’ny Fasan’i Karana no tratra tao anaty

Card image cap
19-juin-2025

Roalahy no tompon’antoka, tratra tao anaty taxi-brousse Lehilahy

Card image cap