airtel

Fandriampahalemana

08-avril-2022

Fandriampahalemana

Mpandraharaha voatafika tao Mahitsy Jiolahy roa matin’ny zandary, nanjavona ny ampaham-bola

Sample post image

Jiolahy roa nanafika mpandraharaha handeha hamonjy banky no lavon'ny zandary omaly 07 aprily 2022 tokony tamin'ny 08 ora maraina tany Mahitsy.

08-avril-2022

Raha araka ny fantatra dia mpandraraha iray avy Ampanitokana handeha hanatitra vola mitentina 30 000 000 Ar ity voatafika ity raha misa 5 kosa ireo jiolahy nikaon-doha tamin’izany. Nitsoaka nihazo ny lalam-pirenena faha 04 izy ireo taorian’izany. Tao amin'ny fokontany Ankadimainty Manakambahiny kaominina ambanivohitra Anosiala Distrikan'Ambohidratrimo no raikitra ny fifampitifirana rehefa nahita ny sakana nataon'ny zandary ireo Jiolahy.Lavo tamin'izany ny Jiolahy miisa 02 ary azo ihany koa ny basy miisa telo sy bala 10 (calibre 12 sy 7,65 mm) nampiasain’izy ireo. Tafaporitsaka kosa ireo jiolahy miisa 3 ambiny ary mbola hifanenjehana hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay. Na izany aza azo ihany ny ampahany tamin’ny vola voaroba.
Pati \
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap