airtel

Fandriampahalemana

14-janv-2021

Fandriampahalemana

Mpanendaka eny amin’ny 67 ha Misolo akanjo isaky ny mahavita ny asa ratsiny

Sample post image

Mpangarom-paosy iray vao 18 taona monja no tra-tehaky ny Polisy eny 67 ha,

14-janv-2021

 

 

 

 

rehefa zatra mpamely olona eny amin’ny toby fiantsonana. Maharay fitarainana hatrany mantsy ny polisy eny an-toerana fa misy mpanendaka eo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe botika orange ka nidina teny an-toerana avy hatrany izy ireo. Vao nahita ireo polisy nanantona ity tovolahy ity dia niezaka ny nitsaoka. Efa nisy polisy nanao fanamiana sivily anefa nidina teny an-toerana ka afaka nisambotra azy mora foana . Rehefa nosavaina ny entana teny aminy dia nahitana akanjo maro samy hafa izay soloiny isaky ny mahavita ny asa ratsiny. Nahitana antsy kely sy puce iray ihany koa niaraka tamin’ireo voalaza ireo. Rehefa nanao ny fanadihadiana ny Polisy dia fantatra fa efa matetika nandalo tao amin’ny birao ity lehilahy ity ary resaka harom-paosy avokoa no hanenjehana azy. Ity tovolahy ity ihany koa dia efa mpamerin-keloka satria efa nigadra 03 volana tamin’ny taona 2020 lasa teo noho ny resaka fanendahana ihany.

Pati

 

Dans la même rubrique