airtel

Fandriampahalemana

01-sept-2022

Fandriampahalemana

Mpanendaka eny Antohomadinika Nahatrarana antsy maranitra sy fitaovam-pitsindromana rongony

Sample post image

Tena tsy misy izay tsy miara-dalana amin’ny rongony intsony ireo mpanendaka eto amintsika. Sady mifoka mantsy izy ireo no mampihatra herisetra amin’izay olona sendra azy,

01-sept-2022

antony mahatonga ireo tsy manan-tsiny sasany ho voaolana sy voatsindron’antsy. Manaporofo izany ny fisiana mpanendaka roa efa fanta-daza tratra teny amin’ny toby fiantsonanan’ny taxibe eny Antohomadinika. Niaraka tamin’ny antsy mananitra iray sy fitaovam-pitsindroman-drongony izy ireo nandritra izany. Andro mazavabe tokony ho tamin’ny 04 ora hariva no nahatrarana azy ireo teny an-toerana izay fantatra fa mponina avy ao Ambodivoina Anosizato Andrefana. Polisy nanao fisafoana moa no nahatratra azy ireo izay marihina fa mitondra kitapokely hatrany hanafenany ireo fitsindroman-drongony sy fitaovana famonoana olona entiny.
Pati 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap