airtel

Fandriampahalemana

26-août-2022

Fandriampahalemana

Mpangalatra mangahazo nosorana sakay Olona 3 no hatolotra ny fitsarana, naato ilay dina

Sample post image

Olona 3 no fantatra fa hatolotra ny fitsarana taorian’ilay raharaha fanosorana sakay ny vatan’ilay Renim-pianakaviana iray sy ny masony tratra nangalatra mangahazo tany amin’ny Fokontany Ankapila

26-août-2022

kaominina ambanivohitra Antsirabe Nord, distrikan’i Vohemar andro vitsy lasa izay.Nidina ifotony nanadihady ny zava-misy sy nampahafantra ny lalàna velona misy eto amin'ny tany sy ny fanjakana mantsy ny avy amin'ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana notarihin'ny kapiteny Raymond Zaidou Donatien kaomandan’ny kaompania ao Vohémar. Nandritra izany koa no nahafantarana fa tsy ara-dalàna koa ny dina nampiharin'ny fokonolona tamin’ity renim-pianakaviana ity. Tsy nisy fankatoavana tamin'ny manampahefana mantsy izany ary 100.000 Ariary no voasoratra ao anatin’ilay dina tsy ara-dalàna fa tsy 250.000 Ariary izay nalaina sy notakiana tamin'ilay renim-pianakaviana tratra nangalatra. Efa fanin-diminy tamin’ity Renim-pianakaviana tratra nangalatra mangahazo ity moa no fantatra voahosotra sakay tao amin'ny Fokontany Ankapila kaominina Antsirabe nord. Nasain’ny zandary natsahatra avy hatrany moa ny fampiharana ity dina hafahafa ity indrindra fa ilay fanosorana sakay ho fiarovana ny ain’ny vahoaka.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique