airtel

Fandriampahalemana

04-avril-2022

Fandriampahalemana

Mpangalatra omby tao Andriatany, Iarinarivo Tafaporitsaka ny roa, saiky niharan’ny fitsaram-bahoaka ny roa hafa

Sample post image

Nofatoran'izy efadahy teo amin'ny tahon-goavy naniry ilay omby nangalariny ary lasa nisotro toaka tsy lavitra teo ry zalahy,

04-avril-2022

hoy ny fampitam-baovao mikasika ny trangana halatra omby tao Andriantany, kaominina Iarinarivo, ny sabotsy teo. Ny tompon'omby sy ny mpanaradia anefa nanaraka taty aoriana, izay tsy nampozin'izy ireo. Nojerena ny omby teo am-body goavy nandrasana izay olona handroaka io omby io. Voasambotra ny roalahy, ny roa hafa kosa tafaporitsaka. Omby avy any Ankadimainty, Ambohidratrimo ity nangalaran'izy ireo, ary tao Andriantany, kaominina Iarinarivo no nahatratrarana azy. Tonga ara-potoana ny zandary naka ireo olon-dratsy izay saika niharan'ny fitsaram-bahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap