Nanao fihetsiketsehana ny mponin’i Faratsiho omaly, hoy ny fampitàm-baovao voaray. Nitaky ny hamoahan’ny fitsaràna an’i Leba, mpiambin-tanàna tao amin-dry mompera, izay notanana am-ponja vonjimaika any Antsirabe efa ho roatokom-bolana izao ireto mponina ireto. Araka ny fanazavana, nisy mpangalatra niditra tao amin-dry mompera ka tratran’i Leba. Nanohitra ilay olon-dratsy ity mpiambin-tanàna ity. Nisy, araka izany, ny fifandonana ka maty ilay jiolahy. Nametraka fitoriana ny havany ka natao famotorana sy notanana am-ponja vonjimaika ilay mpiambina, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany. Andrasana kosa ny tohin’ny raharaha, araka izany.
Nangonin’i J. Mirija
Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana
Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io