airtel

Fandriampahalemana

16-sept-2024

MPIANATRA HO ZANDARY ANDIANY FAHA-79

Nampitomboana 300 isa ireo horaisina

Sample post image

Nampitomboana 300 isa ny isan’ireo mpianatra ho zandary andiany faha-79 horaisina amin’ity taona ity.

16-sept-2024

Raha 1.200 isa izany teo aloha dia lasa 1.500 isa amin’izao hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra sy hanatevenana ny isan’ny zandary eny amin’ny toby. Notanterahina nanomboka afak’omaly Sabotsy 14 Septambra ny adina an-tsoratra izay nanadinana ireo mpiadina ny taranja Malagasy sy Matematika ary ny Frantsay raha nofaranana omaly Alahady 15 Septambra kosa izany. Nambaran’ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izay nidina ifotony nijery azy ireo moa fa izay mahay ihany no afaka. Tsy ekena ny kolikoly hoy izy. Hiarahany miasa amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly mantsy ny fanaraha-maso ny fanadinana. Tena mety sy mahafinaritra ny fivoarana tahaka izao na arak’isa na ny ady amin’ny kolikoly. Ny mampanahy ny vahoaka anefa dia tena mba hanao ny asany marina ve ireny zandary vao mivoaka ireny sa hanatevina ireo namany maka vola sy manao kolikoly fotsiny ?
Pati
Legende : Nafotaka tahaka izao ny adina an-tsoratra natrehin’ireo mpiadina afak’omaly Sabotsy !

 

Dans la même rubrique

04-juin-2025

Ela ny ela fa tratra ilay tovolahy vao 23 taona monja tia loka nahavita nisintona

Card image cap
04-juin-2025

Tsy namelan'ireo fokonolona tao Mahambolona, distrikan'i Mandritsara omaly Talata 03 Jona

Card image cap
04-juin-2025

Nitrangana vono olona tao Sahalafika, Fokontany Ambalantenina, kaominina ambanivohitr' Anivorano Est,

Card image cap