airtel

Fandriampahalemana

01-févr-2022

Fandriampahalemana

Mpisandoka ho polisy Manambana amin’ny basy mihitsy ilay jiolahy

Sample post image

Tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny PPA3 Ilanivato ny lehilahy iray 43 taona ny 28 janoary maraina teo rehefa avy nisandoka ho Polisy.

01-févr-2022

 

Io daty voalaza io nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy miasa ao amin’ny PPA Ilanivato tao amin’ny fari-piadidiany no naharay antso izy ireo izay nilaza fa misy lehilahy misandoka ho Polisy eny an-toerana ary manambana basy PA mihintsy. Raha vao nahare izany ireo tompon’andraikitra dia nanantona ilay faritra voalaza ka noraisim-potsiny ny lehilahy iray 43 taona niaraka tamin’ny basy kilalao miloko mainty nentiny nandrahonana olona. Araka ny fantatra dia nandeha nitaky vola tamin’olona teny an-toerana izy no nisandoka andraikitra ho Polisy no sady nanambana basy ihany koa. Fantatra fa maro no lasibatr’ity lehilahy ity teny amin’ny faritra Ilanivato sy ny manodidina iny. Maro ihany koa ny efa nametraka fitoriana tao amin’ny PPA Ilanivato mahakasika ny fisandohana andraikitra nataony izay efa nahazoany vola mitentina 43.000Ar.

 

Pati

Dans la même rubrique