airtel

Fandriampahalemana

29-janv-2021

Fandriampahalemana

Mpitandro filaminana sy sivily mifamono 35 no maty tao anatin’ny volana vitsy

Sample post image

Tsy mbola milamina ny raharaha Mandanivatsy Tanambao Besakay nanomboka

29-janv-2021

 

 

 

 

tamin’ny fahafatesana zandary iray ny 20 janoary teo, ary nahafatesana sivily roa noho ny fiarovan-tenan’ny zandary iray hafa. Ankehitriny, ankoatra ireo voasambotra 18, dia nisy indray ny olona 4 matin’ny zandary tany Andaingo Moramanga, ary ny 1 azo sambom-belona. Ireo zazamena nitsoaka sy nanantona mpimasy ireo, ary voalaza fa nandositra, ka notifirina. Tsy an-kitsitsy, ka tafiakatra 7 izany ny maty tao anatin’ity raharaha ity. Hita taratra ny fifamaliana faty, ary toa efa mora ny mifandatsaka aina amin’izao fotoana izao, sanatria ho toy ny mamono akoho. Nafampana ny fifandonana samihafa teo amin’ny mpitandro filaminana miteraka fahafatesana ain’olona maro tato ho ato fa tsy vao io raharaha Tanambao Besakay io. Tsy natao hanenjehana na hanakianana na iza na iza, fa kosa toa lasa toy ny mora ny mandatsaka aina, izay midika fa mila fandalinana sy fandaminana lalina satria tena endrika mandeho fa marary ny fiarahamonina. Niantombohan’izany ny lositra tany Farafangana ny 23 aogositra 2020, nisiana fahafatesana gadra 23. Ny faramparan’ny volana desambra 2020 nisy ilay sakoroka tao amin’ny Karieran’I Beafo any Andilana Avaratra Distrikan’Amparafaravola ka nitifiran’ny miaramila lehilahy iray. Nandeha ny raharaha tany Brickaville nisiana tatsambo maty notifirin’ny mpitandro filaminana, izay ambaran’ny havany fa tsy olon-dratsy velively. Teo ihany koa ilay sakoroka nahafaty lehilahy iray tao Imerintsiatosika, ka nahatonga ny olona hanafika sy hamotika ny tobin’ny zandary ny 26 desambra 2020 lasa teo. Nampifanjinja ny mpitandro ny filaminana sy ireo fikambanana misehatra amin’ny resaka fihariana omby tamin’ny resaka serasera ny fahafatesana mpandraharaha iray tany Tsiroanomandidy ny fiandohan’ny janoary teo,… Tena potika sy tsy mirindra ny fiarahamonina, ka mila mandinika sy mitady vahaolana hisorohana ny fifamonoana mety ho azo sorohana isika.

Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap