airtel

Fandriampahalemana

07-nov-2022

Fandriampahalemana

Mpivady voalaza fa avy nangalatra Maty voahosin’ny lamasinina ramatoa, tapa-tongotra rangahy

Sample post image

Nisehoana tranam-piarahamonina sy loza tsy dia fahita sy tsy fandre firy tany Amboarakely akaikin’i Fiadanana ao Manjakandriana ny sabotsy lasa teo.

07-nov-2022

Olona mpivady no voahosin’ny lamasinina, ka ilay vehivavy maty teo noho eo, ary ilay lehilahy kosa tapaka tarangana ny fela-tongony, ary nentina notsaboina tao amin’ny Hopitalin’I Manjakandriana izay tsy lavitry ny toerana nisehoan’ny loza. Raha ny fitantaran’ny olona, voalaza fa avy namaky fisoko fitoerana kisoan’olona izy ireo ary nifanenjehana. Ny sasany milaza fa nisavika lamasinina fa malaina handeha taksibrosy, ao indray ny maneho fa nitsoaka tsy nety nijanona saingy nifanehitra tamin’ity lamasinina, ka izao tra-doza izao. Voalaza fa vahiny fa tsy olona tao an-tanàna moa ireto tra-doza ireto, ka tao ny nilaza fa avy any Ambohibary, ary nisy ny nanamarika fa avy eny Ambohimangakely.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique