airtel

Fandriampahalemana

23-nov-2021

Fandriampahalemana

Mponina eny Antetezana afovoany “Tsy mpangalatra ilay tovolahy 22 taona notifirin’ny polisy”

Sample post image

Niantso mpanao gazety omaly ireo olona monina eny amin’iny faritra Antetezana afovoany 67 ha iny, toerana nitrangan’ilay fitifirana tovolahy 22 taona niseho ny Alakamisy lasa teo.

23-nov-2021

Nambaran’izy ireo fa tsy jiolahy nenjehina avy any amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe izany io tovolahy io fa olona teo an-tanana ihany. Nanao fanamiana sivily ny iray tamin’ireo polisy hoy izy ireo raha nolazainy fa nanao fanamian’ny orinasa hafa ireo olona ambiny. Mbola nitaraina ihany koa ireo mponina fa nasaina nikaton-trano avokoa izy ireo nandritra ny fotoana nitifiran’ny polisy ity tovolahy ity tsy nisy nahazo nivoaka. Tifi-danitra no niandohan’izany hoy izy ireo izay vao bala nihatra tamin’ilay tovolahy izay nanafaka ny ainy mihitsy. Hetahetan’ireo mponina araka izany ny hanokafana fanadihadiana mikasika ity tovolahy voatifitra ity izay nomarihiny manokana fa tsy ilay mpangalatra nenjehin’ny polisy avy any amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap