airtel

Fandriampahalemana

12-sept-2022

Fandriampahalemana

Mponin’Ambanidia Tonga hatreny Ankadindratombo mivarotra rongony

Sample post image

Lehilahy iray 24 taona voalaza fa monina eny Ambanidia eny no saron’ny kaomisarian’Alasara nivaro-drongony teny akaikin’ny abatoara Ankadindratombo ny faran’ny herinandro teo.

12-sept-2022

Raha araka ny fantatra dia efa tsikaritr’ireo mpitandro ny filaminana misahana iny faritra iny ny fisian’olona izay voalaza fa mamatsy rongony iny toerana iny. Nandray andraikitra avy hatrany izy ireo tamin’ny fanaraha-maso ka ilay ranamana ity no tratra. Mbola sarona teny aminy avokoa ireo fonosan-drongony miisa 15 nataony tao anaty sakaosy kely izay nokasainy hamidy. Niaiky ity tovolahy ity fa tena mpamatsy rongony tokoa ary io no tena asa fivelomany. Hatolotra ny fampanoavana anio alatsinainy ny anaolahy.
Pati
Legende : Ity ilay tovolahy
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap