airtel

Fandriampahalemana

15-oct-2021

Fandriampahalemana

Mponin’Andoharanofotsy Mangataka mpitandro ny filaminana isaky ny tobim-piantsonana

Sample post image

Mbola tsy tonga any amin’iny faritra Atsimondrano iny ireo mpitandro ny filaminana apetraka mba hiambina ny mpandeha isan-kariva iadiana amin’ireo mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery

15-oct-2021

. Ho an’ny eny amin’ny kaominina Andoharanofotsy manokana ohatra dia velon-taraina mafy ireo mponina noho ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Vao amin’ny 05 ora sy sasany hariva mantsy dia efa misy mpanendaka mihaodihaody any amin’ny tobim-piantsonana ka saika lasibatra avokoa ireo mpianatra madinika sy ny mpiasa. Toraka izany koa ireo mpaka entana sy mpiantsena handeha hamonjy ny tokantranony. Tsy tobim-piantsonana tokana moa no hitrangan’izany fa tobim-piantsonana maromaro mihitsy. Ho an’ny maraina indray dia fantatra fa amin’ny 4 ora ka hatramin’ny 05 ora sy sasany eo ho eo no tena fanaovan’ireo mpanao ratsy ny asa ratsy. Mijaly ny mponina araka izany koa manantena ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra.

Pati

 

Dans la même rubrique