airtel

Fandriampahalemana

28-févr-2022

Fandriampahalemana

Mponin’Andranolaleke sy Ambaliandro Mitohy ny gidragidra niainga tamin’ny resaka omby

Sample post image

Mitohy tsy mety nivalona ny fifanandrinan’ny mponina any Andranolaleke sy Ambaliandro, any Atsimo. Mpiandry osy iray antsoina hoe Maromahy avy ao Andranolaleke no niandry osy tao amin’ny tany isian’ny fifanolanana,

28-févr-2022

 ka tonga nanao ramatahora ny vatan-dehilahy roa (Marolahy, Zikisilahy) nironga basy saika hitifitra azy, fa tsy namaly izy. Vao mainka nirohotra nitondra osy teo, ary nitady ireo osy very nandrasana ny andron’io fandrahonana io ireo mponin’Andranolaleke vao naheno ny fandrahonana. Vantany vao nahita izany ny avy ao Ambaliandro (sivy lahy notarihan’i Sambo Sofy), dia nanao tifitra variraraka, hoy ny fampitam-baovao. Tsy nahavoa ireo satria nandositra sy niparitaka ny andaniny. Nisy ny kinga niaro tena, ka namaly bontana i Tovontsoa tarik’Andranolaleke, ka nahavoa teo amin’ny kibon’ny iray antsoina hoe Tsisahira, ary diso ny fivoizana amin’ny Facebook fa nisy dahalo 30 lahy avy ao Andranolaleke nanafika an’Ambaliandro, ary tsy nisy namoy ny ainy izany, hoy ny fanazavana. Adin’ny samy tanora no voalaza fa nisy, taorian’ny fifamaliana ny 29 martsa 2021(…). Efa disadisa mitohy tamin’ny resaka fakana omby tao Andranolaleke io, ary voatontonona ho fositra ny Prefet ao Androy. Voadina ny olona fito avy any Andranolaleke ka handoa omby fito isan’olona. Tsy nantsoina nanatrika izany ny ao Andranolaleke, raha teo anefa ny roa tonta dia tokony nisy tatitra tapaky ny mpiray dina dia samy tokony nahazo ny avy amin’i Sambo Sofy (Ambaliandro) sy avy amin’i Refolake (Andranolaleke). Rehefa nalaina ny omby tokony nisy taratasy nosoniavin’ny sefo fokontany Andranolaleke izay vao azo nentina… Nivory ny OMC (Organe Mixte de Conception) handaminana, kanefa voalaza fa tsy nantsoina ny avy ao Andranolaleke. Voatondro ho nitsikombakomba tamin’ny Prefe ny fahazoany taratasy tsy hamerina ny omby i Sambo Sofy, raha mifanohitra tamin’izany ny tapaky ny fivorian’ny OMC, hoy ny fanamarihana. Natao lavanty ireo omby kanefa tsy nahazoana taratasy tamin’ny Fitsarana. Miezaka mandamina ny roa tonta ny Zandarimaria, ka hampiharana ny fomba sy ny kolontsaina maha Tandroy. Momba ny gidragidra farany teo, nampanantsoina ny olobe avy ao Andranolaleke sy Ambaliandro ny 21 febroary 2021 nanontaniana hoe: iza marina no tompon’ny tany? Nilaza efa vonona amin’ny « Fisangiana » ny Andranolaleke raha tsy nanaiky izany kosa ny Ambaliandro, hoy ny fampitam-baovao.
 

Dans la même rubrique