airtel

Fandriampahalemana

18-sept-2026

NAHAFATY NY VADINY

Lehilahy iray nampidirina am-ponja

Sample post image

Nampidirina am-ponja vonjimaika

18-sept-2026

ilay lehilahy nahavita nandratra ny vadiny tany amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana vono olona feno ratra tany an-toerana ny 14 Septambra teo. Fifamaliana teo amina mpivady no antony nahatonga izany, tranga niseho tao amin’ny Fokontany Analatsifaka, Kaominina Soanierana, Distrikan’i Tsiroanomandidy. Rehefa tsy nisy ny fandeferana dia nihafara tamin’ny herisetra izany saingy ny mampalahelo dia nitarika tamin'ny fahafatesan’ilay Ramatoa. Nandositra noho izany ilay raim-pianakaviana saingy nitolo-batana tao amin’ny Polisim-pirenena izy ny 15 Septambra teo ary nanokafana fanadihadiana. Niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity ary natolotra ny Fampanoavana ny 16 Septambra teo ka nidoboka am-ponja. Ny tranga tahaka izao dia mampatsiahy fa tsy misy tsy voavahan'ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana amim-pilaminana mba hisorohana ny herisetra izay mety hitarika hatramin’ny vono olona tahaka izao, indrindra fa ny mpivady. Ity no tranga fahatelo lehilahy namono nahafaty ny vadiny sy nitifitra an-drafozany tamin'ity herinandro ity.
Nangonin'i Pati

 

Légende : Tsy nisy afa-bela fa tsy maintsy migadra ny mpamono olona tahaka itony !
 

Dans la même rubrique

18-sept-2026

6 nidoboka am-ponja, iray tarika amin'ny 73kg...

Card image cap
18-sept-2026

Ravan'ny Polisim-pirenena, olona 9 voasambotra tany Tolagnaro

Card image cap
18-sept-2026

vadiny dia namono ten izy

Card image cap
17-sept-2026

vinantony teo amin’ny lohany

Card image cap
17-sept-2026

Novonoina vao nariana tao, famonoana efa nomanina »

Card image cap