Hita ny Alatsinainy maraina teo tao anaty bozaka tany amin’ity toerana voalaza etsy ambony ity ny vatana mangatsiakana tovolahy iray izay fantatra fa nangalatra mangahazon’olona ary efa simba tanteraka. Nisy ny fiantsoana nataon’ny sefom-pokontany ka tonga nijery ny razana ny mpitandro ny filaminana sy ny zandary any an-toerana. Fantatra nandritra ny fizahana natao fa novonoina ity tovolahy ity. Ny famotorana nataon'ny Borigadin'ny zandarimariam-pirenena ihany koa nahafantarana fa nangalatra mangahazo ny tovolahy ka ilay tompon'ny mangahazo ihany no namono azy. Mianaka izy ireo no indray nanao izay famonoana olona izany ary samy niaiky ny heloka vitany. Nanazava moa ireto farany fa tapitr'io tovolahy io avokoa ny mangahazon'izy ireo izay tsy nihinanany na iray fototra aza. Nentina teo anivon'ny Zandarimaria Mananjary moa ny raharaha, ka efa nilamina.
Nangonin’i Pati
Lehilahy miisa 06 no tratra nitsindrona sy nivarotra zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Morarano sy Androndra iny ny 25 janoary teo.
Avotra soa aman-tsara ilay tovovavy 19 taona nisy naka an-keriny ny 4 janoary 2023 lasa teo tao amin’ny kaominina ambanivohitra Andranomisa, distrikan’Anjozorobe, raha ny fampitam-baovao voaray.
Lehilahy miisa 04 no voasambotra tany amin’ny distrikan’i Mahanoro ny Talata 24 janoary teo rehefa nanondrana sy nitondra taolam-paty tany an-toerana.