airtel

Fandriampahalemana

29-nov-2021

Fandriampahalemana

Namontana Novelesin’ny mpanendaka ilay mpitondra moto

Sample post image

Miseho amin’ny endriny maro lahy ny asa ratsin’ireo mpanendaka sy mpamono olona amin’izao. Mpitondra moto iray tratra alina no voalaza fa novelesin’ireo mpanendaka avy any aoriana ny herinandro lasa teo teny Namontana.

29-nov-2021

 Naratra mafy vokatr’izany io mpitondra moto io raha araka ny fantatra niaraka tamin’ilay olona iray nentiny. Lasan’ireo mpanao ratsy ihany koa ilay moto. Ankoatra izay eny amin’iny faritra iny ihany dia mikaikaika fatratra ireo mponina eny Ambohibarikely Anosibe. Vao amin’ny 06 ora hariva mantsy dia efa tsy azo handehanana intsony iny faritra iny noho ny hafitsok’ireo mpanendaka izay miaraka amin’ny antsy lava lela ny ankamaroany. Manatona avy hatrany izy ireny mandrahona ilay olona sendra azy amin’ny antsy ary tsy manaiky raha tsy mahazo izay tadiaviny. Eo amin’ilay tetezam-bato na beton moa no voalaza fa tena toerana hipotran’ireo mpanendaka. Manao antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky izany fijalian’izy ireo izany. Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap