airtel

Fandriampahalemana

16-déc-2021

Fandriampahalemana

Nanelingelina ny fiarahan’izy roa Notapahin-doha , avy eo notetitetehina ilay rangahy

Sample post image

Ny 09 desambra lasa teo no nahitana razana efa simba tanteraka, voatetitetika hitan'ny fokonolona tao Bemasoandro Kaominina Antsapandrano distrika Antanifotsy.

16-déc-2021

 Nanokatra fanadihadiana ny zandary notarihin'ny GPHC Fenitriniaina Ramarijaona, komandin'ny tobim-paritry ny zandarimaria Antanifotsy. Fantatra fa lehilahy iray antsoina hoe Rakotonarivo Armand, 32 taona ity nisy namono. Teo foana ny vehivavy tompom-bady maty, mody tsy nahalala ny antony tsy nahitana am-badiny nandritry ny herinandro, ary rehefa hita faty dia tsy mody tsy nahalala ny antony namonoan'olona azy, hoy ny Mpitandro ny filaminana. Nampiasa ny fahaizany manangona vaovao sy manaramaso ny fihetsiny hisokirana ny marina anefa ny zandary ka fantatra fa ravehivavy vadiny ihany (Herilala 26 taona) sy ny sipany (Besa 29 taona) no niaraka namono ity lehilahy ity, hoy hatrany ny zandarimaria eo anivon’ny Borigady Antanifotsy. Ny 02 desambra, herinandro talohan'ny nahitana ny razana no namonoany azy. Efa namitsaka tao an-trano nandritra ny alina ity sakaizany ka nokapainy kalaza ny tendany tamin'ny 02 maraina, ary rehefa maty dia notetitetehin'izy ireo ary nariana tany an'ala. Mampijaly an-dravehivavy, hono, ratompokolahy sady manelingelina ny fiarahan'izy roa no antony namonoany azy. Niaiky ny heloka vitany izy roa. Hatolotra ny fitsarana ao Ambatolampy moa izy ireo mba hotsaraina amin'ny heloka vitany, araka ny tatitra nataon’ny zandarimaria.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap