airtel

Fandriampahalemana

10-nov-2021

Fandriampahalemana

Notafihin’ny dahalo i Antanetibe Anativolo Nirefodrefotra ny basy, lasa ny 100 tapitrisa Ariary

Sample post image

Notafihana andian-dahalo maro indray ny tampon-tanànan'Antanetibe Anativolo ny alin’ny alatsinainy hifoha omaly 09 novambra.

10-nov-2021

 Teo amin’ny 12 ora sy sasany alina no nirefodrefotra ny basy nanakoako eraky ny tanàna. Tsy nisy sahy nivoaka ny olona. Tamin’ny 2ora sy fahefany vao nivoaka ny olona. Nanara-dia ny olona, saingy tsy tena mbola misy vokany aloha, raha ny vaovao vonjimaika. Na ny trano nisy ireo zandary rehetra aza dia voalaza nambenan'ireo dahalo, izay tsy fantatra mazava ny an-tony. Eny, hatramin'ny tranon'ny delegem-panjakana izay nampiantrano mpampandri-tany, aza dia voahodidina dahalo ka tsy afa-nanoatra ireo zandary, hoy ny vaovao. Volabe 100 tapitrisa Ar no voalaza nalain’ireo dahalo. Ny tena mampalahelo, hoy ny fampitam-baovao iray, dia vehivavy lehibe iray mipetraka eo anilan'ny FJKM Antanetibe Finoana, no lasan'ny dahalo natao takalon'aina. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Manao antso avo amin' ny mpitandro ny filaminana any an-toerana sy ny fanjakana mahefa ireo mponina ao amin'ity kaominina ity. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 30 septambra lasa teo, dia nisy ny disadisa teo amin’ny mponina sy ny zandary tao Antanetibe Anativolo noho ny raharaha fahafatesana lehilahy iray. Efa nilamina ny momba iny raharaha iny, nandeha ny famitranam-pihavanana,… saingy io nisehoana asa ratsy goavana io indray tany an-toerana.
Toky R
 

Dans la même rubrique