airtel

Fandriampahalemana

01-sept-2026

Ny Ntsoa,

maty tamin’ilay afera

Sample post image

Stéphanie-Haingotiana

01-sept-2026

Tena mahay baolina, mpilalao mendrika foana kinanjo…
Iray tamin'ireo tovolahy nanao hadalàna ka voatifitry ny polisy tanatin’ilay raharaha Haingotiana sy Stéphanie teny Ambohimanga rova ny tovolahy nantsoina hoe Ny Ntsoa. Isan’ny nampalahelo ny mpanara-baovao ny tantaran’ity tovolahy ity, izay raha fintinina, dia hoe hilalao baolina kitra no tena nifindrany teto an-drenivohitra. Io no fanazavàna nentin'ny reniny. Izy izay anisan'ny kintan'ny ekipan’ny 67 City FC ary kapiteny ihany koa. Tena mahay baolina i Ny Ntsoa, hoy ny fitantaran’ireo nanabe ara-panatanjahantena azy, ary saika «homme du match» na mpilalao mendrika tanatin’ny lalao nataony sy «meilleur joueur» na mpilalao mendrika indrindra foana koa izy tanatin’ireo lalao natrehiny. Voatariky ny naman-dratsy nefa izy ary raha iverenana jerena ny fakàna am-bavany natao taminy dia toy ny te hanambara ny tovolahy hoe tsy nanaiky ny handray anjara tamin’ity asa famonoana olona niseho teny Ambohimanga rova ity. Vokatry ny baolina tsy raikitra fotsiny ihany no naha taraiky azy kinanjo ny tena loza dia sendran’ny naman-dratsy izany ny tovolahy ka izao tafajabaka sy namoy ny ainy izao mihitsy, raha ireo angom-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

11-sept-2026

Tambazotra iray ravan'ny Zandary, olona 5 voasambotra

Card image cap
11-sept-2026

ny afera Kolonely Patrick…

Card image cap
11-sept-2026

Mandoa ra, simba tanteraka...votsotra ilay mpanolana

Card image cap
11-sept-2026

Olona 3 naiditra am-ponja tao Sambava

Card image cap
10-sept-2026

tontolo izao i Madagasikara

Card image cap