airtel

Fandriampahalemana

10-sept-2021

Fandriampahalemana

Operation pick-pocket Lehilahy 2 no tratra teny Andohatapenaka

Sample post image

Lehilahy miisa 02 no saron’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny 67ha andro vitsy lasa izay noho ny resaka fanendahana sy sinto-mahery ary harom-paosy.

10-sept-2021

 Nataon’izy ireo andrimaso ireo faritra be mpifamezivezy eny an-toerana indrindra fa ireo misy ny toby fiantsonan’ny taxi-be. Anisan’izany ny eo amin’ny tobim-piantsonan’ny taxibe 30 sy ny eny amin’ny Vatobe ary eny amin’ny faritry ny Paositry Malagasy 67 ha.Teny amin’ny Lalamaty/Andohatapenaka no tratra izy ireo ny 08 septambra lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora maraina. Mbola nahitana fitaovam-piadiana toy ny antsy izay fampiasany mandritra ny fanatanterahana ny asa ratsy teny amin’izy ireo nandritra izany. 16 ka hatramin’ny 32 ny salan-taonan’izy ireo. Nandritra ny fanadihadiana no nahafantarana fa eny amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-be no tena fandraofany ireo mpanao ratsy ka mifindrafindra izy ireo mandritra izany fa tsy mipetraka amin’ny toerana iray.
Pati

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap