airtel

Fandriampahalemana

28-juin-2022

Fandriampahalemana

Petite Vitesse Tratra ilay mpanendaka mpandalo vao maraina

Sample post image

Lehilahy iray, 21 taona no voasambotry ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Compagnie urbaine d’intervention(CUI 1) teny amin’ny Petite Vitesse,

28-juin-2022

rehefa avy nanendaka. Tokony ho tamin’ny 05 ora sasany maraina no nandalo teny amin’ny faritra Petite Vitesse iny ny Polisy mpanao fisafoana avy ao amin’ny CUI 1. Tamin’izany izy ireo no nantonina lehilahy iray ary nitaraina ity farany fa nisy nanendaka tsy lavitra teo ka very tamin’izany ny findainy sy ny vola 300.000 Ar. Nikaroka avy hatrany ilay olon-dratsy ny Polisy ka lehilahy iray no tratra teny amin’ny manodidina. Nohamafisin’ilay voaendaka moa fa tena io voasambotra io ilay nanendaka azy. Tamin’ny fisavàna azy moa dia nahitana antsy maranitra tany amin’ilay mpanao ratsy. Nentina teo anivon’ny Sureté Urbaine de Tana (SUT) avy hatrany ilay olon-dratsy mba hanaovana fanadihadiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanendaka
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap
23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap