airtel

Fandriampahalemana

21-mars-2022

Fandriampahalemana

Polisim-pirenena Enga anie ka ho tsara tahaka ny trano ny fomba fiasa

Sample post image

Taorian'ny fitokanana ny fitaleavam-paritra tany amin'ny faritra Ihorombe dia nahazo ny anjarany ihany koa ny faritra Analanjirofo.

21-mars-2022

Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina. Nambarany nandritra ny lahateny nataony fa fotodrafitr'asa manakaiky vahoaka, ilain'ny vahoaka no atao ary mendrika ny vahoakan'Analanjirofo izany. Na izany aza anefa dia mitaky toe-tsaina mendrika sy fomba fiasa mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka ihany koa ny foto-drafitrasa natokana ho an’ny polisy tahaka itony. Misy amin’ireny polisy ireny mantsy dia mampitaraina vahoaka fotsiny. Vao tamin’ny herinandro teo ohatra dia polisy iray no nanosika mpitondra bisikileta teny Anosibe ka tapaka ny tanan’ity farany. Raha araka ny fantatra dia nandeha tamin’ilay lalana fandehanana mafy ilay bisikileta noho ny tsy fahalalany. Tezitra mafy noho izany ilay polisy ka nanaotao foana nefa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ihany koa. Ankoatra ny tranga tahaka ity farany dia maro amin’ireo polisy ihany koa no variana maka vola amin’ny fiara sy ny mpitondra moto fotsiny ka ilana fanovana. Ny toe-tsaina miova mantsy no mampandroso fa tsy trano tsara tarehy irery fotsiny ihany. Andrasana araka izany ny fiovan’ireo polisy mbola manao izany eto amintsika na aiza na aiza faritra misy azy. Ho an’ireo izay tratra kosa dia tokony handraisana fepetra hatrany.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap