fiara kanefa any Anosy Avaratra no aloha ny sazy
Misy polisy manao halte eny Malaza Ampitatafika, kaominina Ampitatafika Atsimondrano herinandro maromaro izao. Mampiditra ambalam-pamonjana fiara na fourriere izy ireo ho an’izay tsy manara-dalana saingy ny mampalahelo dia any Anosy Avaratra, distrikan’Avaradrano no aloha ny sazy. Olona maro no mitaraina mafy mikasika izany hoy ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina. Ankoatra izay dia fantatra fa tsy mbola tonga nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny kaominina Ampitatafika mihitsy ny lehiben’ireo polisy manao halte ireo na ry zareo tonga misakana fiara mandalo eny an-toerana mikasika ny fiaraha-miasan’ny roa tonta. Eo an-danin’izay anefa dia manana zandary afaka manao tsara izany asa izany ny kaominina Ampitatafika. Nomarihin-dRado Ramparaoelina moa fa efa tafiditra ao anatin’ny fanavaozana tanteraka isika ankehitriny ka tokony hatsahatra daholo ireo karazana fomba fiasa tsy nety teo aloha. Tafiditra ao anatin’izany ny tsy fifanajana.
Pati
Legende : Sorena sy nasiaka mafy ny Ben’ny tananan’Ampitatafika Rado Ramparaoelina teto !