airtel

Fandriampahalemana

12-oct-2026

PRISON BREAK »

TENY AVARADRANO

Sample post image

Ny fonja tsy vaky, ny Sinoa 11 anefa tafavoaka

12-oct-2026

Efa mandeha ny fanadihadiana lalina hamantarana ny marina sy ny tompon’andraikitra momba ny famoahana ireo Sinoa 11 tao amin’ny fonjan’Avaradrano. Nambaràn’ny Fandraharahana ny Fonja fa misy hatrany ny fepetra raisina manoloana ireo tsy fanarahan-dalàna hita mandritra ny fitsirihana.Voalaza fa nampiatoana amin’ny asany ny lehiben’ny fonja sy ireo olona voakasika, ary nisy ihany koa ny famindran-toerana. Mbola tokony hanefa sazy ireto Sinoa nanjavona tampoka ireto. Nandritra ny fitsirihana mahazatra natao tao amin’ny fonja no nahitan’ny tompon’andraikitra fa tsy tao amin’ny toerana tokony hisy azy ireo voafonja ireo. Nokarohina, saingy tsy hita popoka!Tsy nisy filazana ofisialy hoe nisy namaky ny fonja na nisy nanapitsoka ny hidin-trano, izany hoe novohaina tamin’ny fanalahidy mahazatra izany ny varavarana rehetra.Etsy anilan’izay naneho ny heviny ihany koa ny sendikan’ny Mpandraharaha ny Fonja eto Madagasikara ka nilaza fa : Tsy hisy talen'ny Fonja na « Pénitencier » manana fahefana hamoaka gadra any am-ponja izany, indrindra sinoa efa am-polony mihitsy, hoy izy ireo.
TAMBAZOTRA ?
Efa mandeha tokoa ny fanadihadiana fa ny azo antoka aloha dia tsy hoe nanavona tampoka ireo Sinoa tafavoaka tao amin’ny fonan’Avaradrano ireo fa nisy olona nanampy azy ary tsy olona 1 izany fa azo antoka hoe tambazotra mihitsy ary samy manana ny asany. Tsy hoe resaka kinamanamana ihany koa io fa tsy maintsy nisy sandany ara-bola ny famoahana.Tsiahivina fa ny 7 septambra 2026 lasa teo dia nisy teratany Sinoa 50 isa nigadra teto Madagasikara noho ny fisolokiana an-tserasera na scamming, navoaka ka hoe alefa mody any Chine, noho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana Sinoa sy Malagasy. Tao Avaradrano ihany koa no namita sazy ireto Sinoa ireto.Maro moa ny resa-be etsy sy eroa momba ity raharaha ity, izay tena saropady, fa tena samy miandry ny vokatry ny fanadihadiana ny rehetra mba hamantarana ny tena marina fa nisy lesoka izany aloha tao, nisy kolikoly tao ary nisy fandikan-dalàna sy firaisana tsikimbakomba.
RTT

 

Dans la même rubrique