airtel

Fandriampahalemana

17-sept-2025

Raharaha fanafihana teny Ankazomanga

Olona 6 hafa indray no voasambotra, vehivavy ny 2

Sample post image

Taorian’ny fanadihadiana lalina sy ny angom-baovao nataon’ny

17-sept-2025

Sampana miady amin’ny heloka bevava (Brigade Criminelle) sy ny SAG amin’ilay raharaha fanafihana ka nahaverezana volabe tao amina trano fandraisambahiny iray tetsy Ankazomanga ny 10 Septambra teo dia olona miisa 6 hafa indray no voasambotra. Teny Tsarahonenana no voasambotra ireto mpanao fikambanan-jiolahy ireto ny 16 Septambra teo ka lehilahy ny 4 raha vehivavy ny 2 ambiny. Lela-vola 3.900.000 Ariary, finday maromaro, firavaka miisa 07 misy vato sarobidy izay mitombam-bidy hatrany amin'ny 20 tapitrisa Ar ny iray, no tratra tany amin'izy ireo. Mbola tanana eo anivon’ny Biraon’ny Polisim-pirenena izy ireo hanohizana ny fanadihadiana sy hatao andri-maso mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ireto izy 6 voasambotra !
 

Dans la même rubrique