airtel

Fandriampahalemana

24-août-2022

Fandriampahalemana

Ramatoatratra nangalatra mangahazo Nosorana sakay ny tarehiny, nampandoavina lelavola 200 000 Ar

Sample post image

Tsy nananan’ireo fokonolona ny Renim-pianakaviana iray tratra nangalatra mangahazo tao amin’ny Fokontany Ankapila ‚

24-août-2022

kaominina Antsirabe Nord Distrikan'i Vohemar omaly. Ankoatra ny fanalam-baraka natao azy mantsy dia nosoran’izy ireo sakay ihany ny vatany iray manontolo ka anisan’ireny ny tarehiny izay nampijafajafa fatratra ity Renim-pianakaviana tratra nangalatra ity . Tsy vitan’izay fa mbola noterena nanefa lela-vola ( 200 000 Ar ) ny anaovavy. Niaiky ny heloka vitany ity Ramatoa ity. Na izany aza dia nitsotra kosa izy fa noho ny fahasahiranany no nanosika azy hangalatra. Marihina moa fa taratry ny fahasarotan’ny fiainana eto amintsika ny fangalarana mangahazo tahaka izao. Lasa tsy mifandefitra intsony ihany koa ny olona noho ny fahasahiranana hatrany. Anatra ho an’ireo manana toe-tsaina hangalatra araka izany ity tranga ity. Aleo mantsy miezaka na dia manasa lamba aza toy izay hampahoriana sy alaim-baraka tahaka izao no sady mbola hampandoavina vola ihany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap
18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap