airtel

Fandriampahalemana

26-nov-2021

Fandriampahalemana

Rehefa avy nokotiany ka tsy zakany Tovovavy 18 taona maty notifirin’ilay miaramila

Sample post image

Tovovavikely iray vao 18 taona monja mpianatry ny CEG no maty notifirin'ny miaramila iray kilasy faharoa, ankitsirano.

26-nov-2021

 Omaly alakamisy 26 novambra atoandro tao Ifotaka, Amboasary Atsimo, faritra Anosy no nisehoan’izany. Tsy nanaiky nadalàn'ilay miaramila mamo izy, kanjo notifirin'ity farany teo amin'ny saokany tamin'ny alalan’ny basy kalachnikov, hoy ny fampitam-baovao vonjimaika. Nivoaka tany amin'ny hatony ny bala, ary maty tsy tra-drano. Andrasana ny tohin’ny raharaha teo anatrehan’ity zava-doza ity. Sanatria hoe: hanenjika mpitandro filaminana be fahatany, fa mihamaro ireo tsy fahafehezan-tena, indraindra miteraka fihoaram-pefy mihoampampana. Tsy vaovao amin’ny maso intsony izany mahita mpitandro ny filaminana manao fanamiana any anaty bara izany, matetika no ahitana mpitandro filaminana mamo, betsaka no manao herisetra,… Tsy natao hanenjehana sanatria, fa tena mila fanadiovana satria indraindray toa mampametra-panontaniana hoe: mba nandalo fanadihadiana lalina toy ny ara-tsaina, ara-pitondran-tena sy ny maro hafa na “enquête de moralité” ve ny sasany?
Toky R

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Vita ny faran’ny herinandro tao aminy Fokontany Ipingo, Kaominina Bemavo,

Card image cap
17-avril-2024

Namoahan’ny mpitandro ny filaminana didy fampisamborana Rakotoarisoa Mamifetra Joseph,

Card image cap