airtel

Fandriampahalemana

19-mars-2021

Fandriampahalemana

RN7 Ihosy Rongony 2 taonina tratra saika hoentina aty Antananarivo

Sample post image

Fiarabe iray niainga avy any Toliara ho aty Antananarivo no tra-tehaky ny zandary nitondra rongony roa taonina.

19-mars-2021

 

 

Fampitam-baovao azo avy amin'ny olona tsara sitrapo no voaran’ny Zandary avy ao amin'ny BPR Ihosy. Ireo farany no nanao sakana sy fitiliana ireo fiarabe rehetra teo amin'ny toerana atao hoe : Ankadilagna tao Ihosy (PK598 RN7) ny marainan'ny 17 martsa 2021. Tra-tehaka teo tokoa ny rongony milanja 1.959 kg izay natao tao anaty gony miisa 89 nentin'ny fiarabe semi-remorque. Notanana natao andrimaso sy famotorana lalina ilay mpamily sy ny mpamily mpanampy ka hatolotra ny Fitsarana. Aorian'izay dia hiroso amin'ny fandorana ireo rongony. Ny fiara moa dia naiditra ambalam-pamonjana. Mahavoasazy sy mampigadra ny mitondra na manao raharaham-barotra rongony.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Tranga niseho tamiko ny alahady teo izy ty ka tantaraiko eto mba hitandreman’ny rehetra amin'ny manaraka,

Card image cap
23-avril-2024

raha ny fampitam-baovao voaray. Nofitahiny ilay vehivavy ary nentiny tany ambanin'ny CEG Soamalaza,

Card image cap
23-avril-2024

Nifanehatra tamin'ireo zandary nanao fisafoana tao Ambohimilemaka kaominina Mahitsy

Card image cap
23-avril-2024

Vehivavy no tompon-dakan’ny halatra finday any amin’ny distrikan’Ihosy.

Card image cap
22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap