airtel

Fandriampahalemana

04-mars-2021

Fandriampahalemana

Rongony namidy tao Fenoarivo Olona any Antsirabe no mpamatsy ilay mpivarotra

Sample post image

Lehilahy iray 31 taona no tratra nivarotra sy nifoka rongony ny 02 martsa lasa teo teny Fenoarivo Atsimondrano.

04-mars-2021

 

 

 

 Loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana ny fisian’ity lehilahy ity. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny teo anivon’ny Polisin’ny STUP Anosy araka izany nisambotra azy. Fantatra tamin’izany fa eny Ambatolampy kely no misy ny toeram-ponenany. Rehefa natao ny vela-pandrika nisamborana azy dia tratra teo am-pivarotana rongony izy ary mbola nahatrarana fonosan-drongony miisa roa sy sakaosy iray feno potika rongony tany aminy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy moa no nahafantarana fa hamidiny 2000 Ar ny iray fonosana amin’ny rongony ary mahalafo dimy fonosana isan’andro izy. Fantatra ihany koa fa olona mipetraka any Antsirabe no mpamatsy rongony azy. Natolotra ny fampanoavana omaly ny lehilahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.

 Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap