airtel

Fandriampahalemana

24-août-2021

Fandriampahalemana

Sekolin’ny zandarimaria Ambositra Noraisina omaly ireo 1200 vaovao

Sample post image

Tontosa soa aman-tsara ny fifaninana hidirana ho Zandarimariam-pirenena eto anivon'ny sekolim-piofanan'ny Zandarimariam-pirenena Ambositra (EGNA) na ny

24-août-2021

 "Ecole Nationale de la Gendarmerie Nationale d’Ambositra", izay vokatry ny fiaraha-miasa teo anivon'ny Sekreteram-panjakana Miadidy ny Zandarmaria sy Minisiteran'ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, tamin’ny alalan’ny “Arrêté interministérielle N°28 421 /2020 portant ouverture du concours nationale d’élèves gendarmes formant le 76 eme cours”. Nandray ireo roanjato sy arivo (1200) mianadahy tafita hatramin'ny dingana farany, raha roa amby valopolo sy efajato sy arivo (1482) no isan'ireo mpiadina niatrika ny dingana voalohany, ireo manam-boninahitra izay natrehin'ny Jeneraly Kaomandin'ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Kaomandin'ny sekolin'ny Zandarimariam-pirenena eto Ambositra, ny Talem-paritry Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy eto Amoron'i Mania, ary ireo manam-boninahitra ambony isan-tsokajiny eto anivon'ny Zandarimariam-pirenena, hoy ny fampitam-baovao omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique