airtel

Fandriampahalemana

29-oct-2025

SEKTERA FAHA-8 ANTALAHA

Nahitàna fatin-jazakely efa tsy nisy lohany sy tanany intsony

Sample post image

Nahitana fatin-jazalahy kely menavava

29-oct-2025

iray tao amin'ny Fokontany Tanambao Vashi sektera fahavalo, kaominina ambonivohitr' Antalaha omaly Talata 28 Oktobra tokony ho tamin'ny 3ora folakandro. Teny amin'ny lalana mandeha eny amin'ny kalvera no nahitàna ny razana hoy ny vaovao. Fantatra tamin'izany fa efa tapaka ny lohany sy ny tanany ilany ka noheverina fa lanin'ny alika. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy avy hatrany ireo mpitandro filaminana sy ny mpitsabo nanao ny andraikitra tandrify azy. Anisan'izany ny fandevenana ny razana taorian'ny fitsirihana natao. Nanampy azy ireo tamin'izany ireo solontenam-pokonolona ao Tanambao vashi seketra faha-08 izay notarihin'ny lehiben'ny sektera Ranaivoharimanana Yvon Armandos. Efa misokatra ny fanadihadiana mikasika ity zaza menavava hita faty ity. Tombanana ho vao teraka izy io no nisy nanary noho ny antony tsy fantatra.
Nangonin'i Pati
Légende : Efa tsy nisy lohany intsony ity Zaza ity no hita teto !
 

Dans la même rubrique

06-févr-2026

Olon-dratsy 284 voasambotra, 126 fanafihana voasoroka, 1,38 miliara Ar nampidirin’ny pasipaoro,…

Card image cap