airtel

Fandriampahalemana

20-mars-2024

SERANAN-TSAMBON’I NOSY-BE

Naiditra am-ponja ilay vehivavy nahatrarana cocaine 250 g

Sample post image

Miparitaka ireo karazana zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika.

20-mars-2024

Anisan’izany ny cocaine izay marihina fa haingam-piasa‚ mamotika tanora izay miankin-doha aminy. Vehivavy teratany Malagasy no nosamborin’ ny zandary tao amin’ny seranan-tsambo Nosy-Be‚ niaraka tamin’ny “cocaïne 250 grammes” ny fiandohan’ny herinandro teo. Raha araka ny vaovao azo dia vehivavy akaikina lehilahy kandida solombavambahoaka iray ao Port Berge izy io. Narahin’ny mponina maso ny fihetsika nataony nandritra izany ka ireto farany ihany no nanome vaovao momba azy. Naiditra am-ponja vonjimaika ao Nosy-Be ny anaovavy vokatr’izany taorian’ny fiakarany teo anivon’ny fampanoavana.
Pati
Legende : Ity ilay vehivavy !
 

Dans la même rubrique

13-mai-2024

Avotra soa amantsara ilay tovovavy nalaina an-keriny rehefa nidinan'ny Polisy miasa ao amin'ny CSP Mandritsara ifotony.

Card image cap