airtel

Fandriampahalemana

12-mars-2021

Fandriampahalemana

Sinto-mahery- Parking 67 ha Voasintona hatramin’ny vangovangon’olona anaty taxibe

Sample post image

Lehilahy iray 18 taona no tratra nisintona tampoka vangovangon’olona tao anaty taxibe nandalo teny

12-mars-2021

 

 amin’iny faritra 67 ha iny ny 09 martsa lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro no nitrangan’izany ka lehilahy iray nipetraka teo amin’ny varavarakely no lasibatra. Raha vao azon’ilay tovolahy mpanendaka izany dia nitsaoka avy hatrany izy. Niantso vonjy anefa ilay niharam-boina ka raikitra ny fifanenjehana ka tamin’izay fotoana izay no nifanehitra tamin’ny Polisy avy nanao fisafoana teny amin’ny cité 67 ha ilay mpanendaka. Mbola tratra teny aminy ilay firavaka norobainy ary efa naverina amin’ny tompony. Fantatra ihany koa fa efa mpameri-keloka ity tovolahy 18 taona voasambotra ity ary efa voatazona teny Anjanamasina noho ny resaka harom-paosy hatrany. Natolotra ny fampanoavana omaly ny tovolahy ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Pati

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Jiolahy miisa 04 no indray voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny CSP4

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy 19 taona no saron'ny zandary avy ao amin'ny borigadin’i Talatamaty

Card image cap
28-mars-2024

Nisy kodiaran-droa ana orinasa iray nisy nangalatra teny Atsimondrano afak’omaly 26 Martsa.

Card image cap
28-mars-2024

Nidina ifotony teny anivon'ireo Fokontany miisa telo eto an-drenivohitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Tra-tehaka teo am-piandrasana fiara ny rongony 15 gony

Card image cap
27-mars-2024

Lavo voatifitry ny dahalo teo am-pamitana ny asany ny zandary kilasy faharoa Ramilave,

Card image cap