Ny antontan’isa ofisialin’ny polisim-pirenena kosa no namoaka omaly, fa miisa 172 ny ankizy very tao anatin'ny 6 volana manerananny Nosy, ny 164 dia very avokoa, 8 nisy namono. 119 teto Analamanga avokoa, 45 tany amin'ny Faritra 23 hafa, araka ny tatitry ny polisim-pirenena. 81 no hita ka teto Analamanga ny 63 raha tany amin'ny faritra ny 18. Miisa 83 ny tsy hita izay misy ny efa hita saingy tsy nanao filazana. « Resa-bola sy fitiavam-pahefana, faharatsian-tsaina, « règlement de compte » na valifaty, politika, sorona ombiasy ho an'ny te hangalatra fahefana na te hiverina amin'ny fahefana, no ao anatin'izao zava-misy izao, tsivalahara sy tsivanona ny olona manao izany. », hoy ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena Contrôleur Général de police Tsaramonina Ravony. « Efa tsy politika intsony izao fa fampihorohoroana na « terrorisme » entina hampisehoana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tena tsy milamina i Madagasikara », hoy kosa ny Filohan’ny fanavaozana na ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael omaly, taorian’ny famangian’ny Solontenam-panjakana ny fianankavian’ilay tovolahy maty novonoina teny Tongarivo. Niantso firaisankina sy fiombonam-po ary fifampitokisana ny PRRM ka hampandrenesana sy hiarahana miasa amin’ny mpitandro ny filaminana hahafantarana sy hahatrarana ireo olon-dratsy izay sokajiany ho manao ny asan-demony, ka nilazany fa tsy misy maizina handresy ny mazava. Nanamafy ny antso sy nankahery ny mpitandro ny filaminana amin’ny ady amin’ny asa ratsy vaovao vao foronin’ny sasany eto amin’ny Firenena. Nomarihiny fa efa mitsangana ny « centres opérationnelles » samihafa, ary nanomezany ny toromarika amin’ny fananganana « système d’alerte » amin’ny resaka fakana an-keriny, fomba fiasa fanaon’ny Frantsay, ka hatramin’ny fiangonana mampaneno lakolosy, ny sefo fokontany mampaneno kiririoka. Nomarihiny fa efa nisy tany amin’ny 2017-2018 izao, efa nataon-dry zareo io, hoy izy. Raha ny politika, dia ny Fanjakana Rajaonarimampianina no teo amin’ny fitondrana tamin’izany ary ny volomboasary kosa no mpanohitra ka asa hoe : izay ve ilay sarisary tian’ny PRRM holazaina ?
MISY FIVOIZANA MAFY, TSAHO,...
Nomarihin’ny Filoha ny resaka antontan’isa izay tsy dia haiko loatra ny hiteny hoe ofisialy, hoy izy, fa haino aman-jery mampanontany tena ihany mamoaka azy ireny voalohany. «Izay no mampalahelo ihany koa fa misy hainon aman-jery miandry mihitsy, mba tsy hitenenena hoe miray tsikombakomba amin’ilay olona ve fa izy no mamoaka an’io voalohany, ohatran’ny hoe faly rehefa misy zaza very na zaza misy mamono », hoy ny PRRM. Efa misy ny fidinana ataon’ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny fokontany, ary nanao antso ny fananganana andrimasom-pokonolona ny filoha, ka nilaza fa vonona ny hamatsy vola ny andrimasom-pokonolona mba haharitra ny Fiadidian’ny Repoblika. Omaly, mbola nisy ny filazana fahaverezana niparitaka, saingy nisy tranga fangalarana sarin’olona nanaovana filazana fa very, saingy nanaovan’ny voalaza tompona sary fanamarihana fa tsy marina. Hatreto, olona 2 no nidoboka am-ponja dia lehilahy iray any Tsiafahy sy vehivavy iray eny Antanimora, ary lehilahy iray voasambotra teny Lazaina Avaradrano. Asa mety hampivoaka ny tena marina sy ny ambadik’izao raharaha izao ve ny famotorana azy ireny ?
Toky R