airtel

Fandriampahalemana

07-oct-2026

Tafika Malagasy

Hampiasa fitaovana harifomba

Sample post image

toy ny "drône" hampandrian-tany

07-oct-2026

Mivoatra manaraka ny fivoaran'ny teknolojia ny Tafika Malagasy. Manampy betsaka amin'izany ny fiaraha-miasa amin'ireo firenena vahiny. Ny Tafika malagasy rahateo dia mahay miara-miasa amin'ireo firenena rehetra rehefa ahitana tombontsoa "ho an'ny tanindrazana". Nisongadina io omaly nandritra ny fitsidihana ara-pomba ofisialy an'ny Jeneraly Razafitombo Maminiaina Ely, Minisitry ny Foloalindahy teny amin'ny toeram-piasany eny Ampahibe, nataon-dRamatoa Catherine Vautrin, Minisitra misahana ny Tafika Frantsay. Nitohy tamin'ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Tafika roa tonta teny amin'ny "AERIAL METRIC" Ambohibao, izany, momba ny fanofanana hamehezan'ny Tafika malagasy ny fampivoarana sy fampiasana ny hai-ady manodidina ny "drône". Narahan'ny fanolorana izany fitaovana izany sy solosaina ary kojakoja maro ilaina amin'ny hetsika fampandrian-tany sy sarin'ady hiarahan'ny Tafika roa tonta ho tanterahana amin'ny 2027 ny fotona. Nanatrika izany ireo Miaramila nisitraka fihofanana amin'ny fampiasana ireo fitaovana harifomba ireo. Nanome voninahitra ny fotoana ny Jeneraly Pikulas Démosthène, lehiben'ny Etamazoron'ireo Tafika.
Nangonin'i Jean D.
Fanolorana fitaovana harifomba hampiasain'ny Tafika Malagasy
 

Dans la même rubrique

06-oct-2026

Manamafy ny fifehezana

Card image cap
06-oct-2026

eo am-pandohalihana no nisy tifitra variraraka ! »

Card image cap
06-oct-2026

Nidina ifotony teny Namontana ny

Card image cap
06-oct-2026

Efa voasoroka, hoy ny lehiben’ny distrika

Card image cap
06-oct-2026

3 lahy vao avy nigadra anisan’ny voasambotra indray

Card image cap
06-oct-2026

Am-polony niova fo, nametraka ny basiny

Card image cap