Hatramin’ny nanindroman’ireo tsy mataho-tody antsy ny tendan’i Arlivah tamin’ny Alarobia hariva lasa teo ilay mpanentana fandaharana amin’ny vata fahitalavitra no sady mpilalao tantara no nisian’izany. Vokany, amin’ny 03 ora folakandro dia efa feno mpiandry taxibe etsy amin’ny 67 ha atsimo. Mikoropaka mandray fiara karetsaka amin’ilay sarany 4.000 na 5.000 Ar ny mpandeha aorian’izany raha vantany vao tsy mahazo taxibe hatramin’ny 05 ora hariva noho ny tahony. Raha araka ny feo mandeha eny amin’iny faritra iny dia efa jiolahy zatra mpanendaka sy mpamono olona eny amin’iny faritra 67 ha iny mihitsy ireo dimy lahy nanindrona antsy ny tendan’i Arlivah. Manararaotra manao ny asa ratsiny avy hatrany izy ireo raha vantany vao maizimaizina ka tokony ho samy ho mailo ny rehetra. Mikasika ny Arlivah manokana moa dia fantatra fa efa mihatsara ny toe-pahasalamany. Efa nahavita scanner ihany koa izy koa inoana fa hivoaka ny hopitaly tsy ho ela. Raha fehezina dia tsy mandry fahalemana intsony ny tanàna eto an-drenivohitra. Na hivoaka maraina na hody hariva dia feno tebiteby hatrany ny rehetra sao sanatria hisy hanendaka ka mety hanaraka hatramin’ny aina. Eo an-daniny anefa tsy maintsy miasa mivoaka mitady vola mba hampandehanana ny fiainana. Ny fiakaran’ny vidim-piainana rahateo iaraha-mahalala. Aiza ho aiza araka izany no hametrahan-dRamalagasy ny tongony ?
Pati