airtel

Fandriampahalemana

16-mai-2022

Fandriampahalemana

Talata Andraikiba Tratra ireo mpivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika

Sample post image

Voasambotry ny Polisy miasa ao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vakinankaratra ny lehilahy miisa telo, 21, 23 ary 25 taona ny 13 mey lasa teo tany an-toerana noho ny fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika.

16-mai-2022

Fantatry ny polisy miasa ao any an-toerana fa misy andian'olona nikasa hivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy any amin'ny faritra Talata/Andraikiba. Niara-nisalahy avy hatrany ireo Polisy miasa any an-toerana izay nahitana ny Polisy miasa ao amin'ny SRPJ, ny UIR ary ny kaomisaria afovoany tamin'ny fijerena ny zava-misy. Natao ny fanaraha-maso, napetraka ny paik'ady sy ny vela-pandrika ka lehilahy miisa telo no sarona tamin'ny toerana kizokizo iray Avaratra Talata/Andraikiba izay tratra ambodiomby teo am-pivarotana basy carabine. Noentina avy hatrany eny amin'ny biraon'ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka izy ireo natao fanadihadiana.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy
 

 

Dans la même rubrique