Olona miisa 9 mianadahy voarohirohy ho anisan'ny tambazotra fakana sy fivarotana mason'olona manana toe-tena varira no voasambotry ny Polisim-pirenena ao Tolagnaro, ny 13 Septambra 2026 lasa teo. Maty nandritra ny fifandonana ny iray, misy iray maratra ihany koa manaraka fitsaboana ao amin’ny Hopitaly Philibert Tsiranana Amboanato amin'izao fotoana izao. Fanomezam-baovao avy amin'olona tsara sitrapo no nahazoana ny vokatra. Ny Alakamisy 17 Septambra 2026 ireo olona voarohirohy no natolotra ny Fampanoavana ao Tolagnaro, ka notanana am-ponja vonjimaika. Marihina fa mbola tsy hita hatramin’izao ilay olona manana toe-tena varira izay voakasika amin’ity raharaha ity.
Jean D.