airtel

Fandriampahalemana

25-janv-2021

Fandriampahalemana

Tetezan’i Bekiraro Olona 4 isan’andro no voaendaka

Sample post image

Anisan’ny faritra mena amin’ny fanendahana eto an-drenivohitra ny tetezan’i Bekiraro miazo an’Ambodin’Isotry.

25-janv-2021

 

 

 Ankoatra ireo vehivavy mitondra poketra sy harona dia lasibatra hatramin’ireo mpianatra madinika mandeha maraina sy mody hariva, antony nanaovan’ny polisin’ny CSP4 opération teny an-toerana. Nanao fanamiana sivily izy ireo nandritra izany ka efa-dahy no indray tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny faran’ny herinandro teo. Nentina namonjy ny biraon’ny polisy CSP 4 avy hatrany moa izy efa-dahy ireto natao fanadihadiana hahafahana mamantatra ireo namany hafa. Tsiahivina moa fa olona 4 isan’andro raha kely no voaendaka eny amin’iny tetezan’i Bekiraro iny raha araka ny fitarainan’ny mponina ka misy mihitsy ireo maratra no sady very fananana.

Pati

 

Dans la même rubrique