airtel

Fandriampahalemana

20-oct-2022

Fandriampahalemana

Toamasina Averina ny dinam-pokonolona

Sample post image

Namory ireo sefom-pokontany miisa 138 sy ny lefiny ato anatin’ny Distrikan'i Toamasina l teny amin'ny Lapan'ny prefektiora Mangarano ny OMC notarihin'ny Prefen'i Toamasina 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐍𝐈𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐉𝐞𝐚𝐧 𝐉𝐨𝐬𝐞́ omaly.

20-oct-2022

Nivoitra nandritra izany fa averina sy hamafisina ny fiaraha-mientana mahakasika ny andrimasom-pokonolona ao Toamasina ary ezahina hatsaraina hatrany ny filaminana. Nisy araka izany ny famolavolana ny hisian'ny dinam-piaraha-monina manerana ny fokontany rehetra ao Toamasina hampanjakana misimisy kokoa ny filaminana. Nentanina ihany koa ny vahoaka hiaro, hitandrina tsara manoloana ny hain-trano sy ny doro ala izay tsapa fa mihamahazo vahana tato ho ato. Hisy ny fizarana jiro manome hazavana miisa 400 ao Toamasina tampon-tanàna hahafahana miady amin’izay tsy fandriampahalemana izay, fanomezana avy amin’ny Ministeran'ny angovo sy ankoran’afo. Hamafisina ihany koa ny asa fanakatonana ny bara rehetra ao Toamasina monomboka amin'ny 10 ora alina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fihaonana omaly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Navoakan’ny Transparency International-Initiative Madagascar na ny TI-OM omaly 24 aprily 2024

Card image cap
24-avril-2024

Miverina indray eny rehetra eny ireo mpangalatra volo, raha ny fampitam-baovao voaray omaly.

Card image cap