Lehilahy iray 30 taona no tratran'ny polisy miasa ao amin'ny CSP2 Mangarano ny alin'ny 15 jolay teo tokony ho tamin'ny 00h30 rehefa avy nandroba mpivarotra masikita iray teo akaikin'ny fiangonana "Saint Paul". Ireo polisy manao fisafoana amin'ny alina no nahatsikaritra ity lehilahy ity mailomailo tamin'ny fihetsiny ka nitàna azy avy hatrany. Tsy lavitra teo ihany koa no nahitàna ramatoa iray izay feno tahotra ka rehefa nanontaniana dia nilaza fa ao avy nisy nandroba ny vola "versement"-n’ ny tsenany iray andro. Natoro azy ity lehilahy tratra ity ka nilaza avy hatrany izy fa io no naka ny volany ary mbola hita tany amin'ity mpangalatra izany. Ilana fandraisana fepetra hentitra ny fitandroana ny fandriampahalemana ao Toamasina noho izany.
(Sary fanehoana)
Nangonin’i Pati