airtel

Fandriampahalemana

27-janv-2026

TOAMASÎNA

Jiolahy 4 lavon'ny balan'ny Polisy

Sample post image

Jiolahy miisa 4 no indray no lavon'ny

27-janv-2026

mpitandro filaminanana ny 25 Janoary teo misasak'alina. Naharay antso momba ny fisiana andian-jiolahy nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao Verrerie Toamasina ny Polisim-pirenena raha tsiahivina.Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny Polisin’ny FIP ao Toamasina mba hahafahana mifehy izany. Jiolahy miisa enina no nifanehatra tamin’ny Polisy ka nitifitra avy hatrany raha vao nahatazana azy ireo. Raikitra ny fifandonana ka jiolahy efatra no lavo voatifitra, ary iray azo sambo-belona tao Tanandava taorian'ny fikarohana na niezaka nandositra aza. Mbola karohina kosa ilay iray hafa tafaporitsaka. Basy mahery vaika calibre 16, niampy bala efatra, antsy lava ary fitaovana fanapahana vy no hita teny amin’ireo jiolahy. Manentana hatrany ny olom-pirenena ho sahy hitoroka ireo olon-dratsy ny mpitandro ny filaminana fa ho tanana ho tsiambaratelo tanteraka izany.
Pati

Légende : Mitombo isa hatrany ireo jiolahy mahazo saran-dalana mankany amin'ny varo-tsy mifody !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap