airtel

Fandriampahalemana

12-déc-2023

Toamasina

Jiolahy roa lavon’ny polisy, roa hafa azo sambo-belona

Sample post image

Jiolahy roalahy no lavon 'ny Polisy miasa ao amin 'ny fitaleavam - paritry

12-déc-2023

ny filaminam -bahoaka atsinanana raha roa hafa azo sambo –belona. Ny 10 desambra lasa teo no nitrangan’izany tao Toamasina noho ny resaka vaky trano mitam - piadina. Taorian'ny fahazoana angom-baovao ny amin'ny fisian'ny andian-jiolahy mpanao fanafihana sy mpamaky trano manodidina ny tananan' i Toamasina dia nanao ny vela-pandrika ny Polisy miasa amin'ny FIP tamin 'io daty voalaza io. Fantatra fa niafina tao Tanamborizano, ireto olon-dratsy ireto ka nidina teny an-toerana avy hatrany ny Polisy ary niroso tamin'ny fisamborana. Tsy nanaiky ny fampitandremana nataon'ny mpitandro filaminana anefa ireto jiolahy ireto ary namaly tamin'ny antsy lava ka voatery nitifitra ny Polisy. Maty tamin'izany ny jiolahy miisa 2 raha azo sambo-belona kosa ny 02 hafa. Nahitana ody gasy, moara sy antsy lava ary fitaovana fampiasa amin'ny famakiana trano teny amin'izy ireo. Aorian 'ny fanadihadiana hatao moa dia hatolotra ny fampanoavana ireo tra - tehaka. Mitohy hatrany ny fikarohana hataon 'ny Polisimpirenena any an-toerana.
Pati
Legende : Ireo jiolahy maty voatifitra sy ireo azo sambo-belona !
 

Dans la même rubrique