Jiolahy miisa 3 no nahazo saran-dalana ho any amin’ny varo tsy mifody tany Toliara II. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay antso ny tao amin’ny Kaomisaria Foibe Toliara fa nisy olona mampiahiahy nivezivezy teo akaikin’ny Fiangonana Ortodoksa, Kaominina Mitsinjo, omaly Alatsinainy 19 Oktobra. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo Polisy avy ao amin’ny UIR nanamarina izany sy hisambotra ireo olona ahiahiana ireo mba hahafahana manokatra fanadihadiana. Rehefa nahita ireo Polisy ireto olona voalaza ireo dia nanao tari-dositra nitsoaka no sady nitifitra ka voatery niaro tena ireto farany arak'izany.Vokany maty voatifitra ireo jiolahy miisa 03. Tavela teo ny basy poleta vita gasy niaraka tamin’ny bala sy antsy izay nampiasain'izy ireo amin'ny fandrobàna. Fantatra anefa fa mbola nisy naman’izy ireo tafaporitsaka tamin'io fotoana io ka mbola karohina.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo jiolahy 3 maty voatifitra !