nisy nitifitra noho ny fifandonana nateraky ny ady tany tany an-toerana dia maty nisy nitifitra tao Antety Andaka Ankomaky Kaominina Ambanivohitr’i Soahazo, Disitrikan’i Toliara II, ihany koa afak’omaly 11 Jolay ny mpanakanto REDIANY. Raha tsiahivina kely ny tantara dia anisan’ny nitondra avo ny gadona tsapiky tany amin’ny faritra Atsimo andrefana ny tenany. Tohana mafy ny mpanankato rehetra any amin’iny faritra iny noho izany, antony nanaovan’izy ireo fanambara mihezinezina omaly. Nambaran’izy ireo fa manameloka izany habibiana natao tamin’ny namany izany izy ireo noho ny antony izay mbola tsy fantatra. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia teny an-dalana ity farany no nisy nitifitra ka tsy tonga tany amin’ny hopitaly akory dia tapitra ny ainy. Nalevina omaly ny nofo mangatsiakany.
Pati
Legende : Efa an-taonany maro ny nilalaovana ny gadona Tsapiky Rediany no izao nindaosin’ny fahafatesana tampoka izao