airtel

Fandriampahalemana

09-mai-2022

Fandriampahalemana

Toliara Maty voatifitry ilay jiolahy rain-dahiny

Sample post image

Jiolahy rain-dahiny iray mpikambana ao amin'ny "5 bandes" ao Toliara no maty voatifitry ny hery vonjy taitran'ny Polisy omaly alahady 08 mey tokony ho tamin'ny 1 ora 30 minitra atoandro rehefa avy nanao ny asa ratsiny ka

09-mai-2022

 nifanenjika sy nifampitifitra tamin'ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana. Fantatry ny mpitandro filaminana tany an-toerana fa misy fanafihana mitam-piadiana tao Samoty Lahy kaominina ambanivohitra Betsinjaky distrikan’i Toliara II. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny FIP ka niroso tamin'ny fisamborana ireo jiolahy. Vantany vao nahita ireo mpitandro ny filaminana ireo olon-dratsy dia nandositra ka ny iray tamin'izy ireo no naneho fanoherana noho ity farany mitana basy vita gasy. Lavon'ny Polisy ity jiolahy ity raha tafatsoaka kosa ireo namany.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Miha mahery vaika indray ny fanafihana sy fakana an-keriny any amin’ny Distrikan’Ankazobe.

Card image cap
22-avril-2024

Tratran’ny fokonolona teo am-panambatambazana ary nikasa ny hitondra sy hangalatra zazavavy kely

Card image cap
19-avril-2024

Nofon-ken’omby 2 gony, milanja 90 kg nampiahiahy tao anaty fiara fitateram-bahoaka iray

Card image cap